<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry be fiantra sy be indrafo FFPM580</title>
<lyrics>[V1]
 Ry be fiantra sy be indrafo !
 Ao aminao misy soa ;
 Ory izahay noho ny zava-
 manjo
 Ao aminao misy soa ;
 Be siasia an-dalana atý,
 Sao tsy ho tratra ny tsara arý ;
 Tompo miantra, vonjeo
 izahay,
 Ao aminao misy soa ;

[V2]
 Rahona mainty manarona
 anay,
 Ao aminao misy soa ;
 Mba hazavaonao izay dianay
 Ao aminao misy soa ;
 Ampaherezo hanaraka Anao,
 Ampaherezo hatoky Anao ;
 Tompo mahery, hazòny
 izahay,
 Ao aminao misy soa ;

[V3]
 Any an-danitra izay lapanao,
 Ao aminao misy soa ;
 Ka dia matoky izahay
 zanakao,
 Ao aminao misy soa ;
 Aza ilaozana akory izahay,
 Sao dia very an-dalana indray
 Tompo malala, tariho izahay,
 Ao aminao misy soa ;</lyrics>
<hymn_number>580</hymn_number>
</song>